best-property-websites-and-agencies-madagascar-mg.phpmg
Ny fitadiavana trano no olana lehibe indrindra hatrehinao raha toa ka maniry hanorim-ponenana ao amina tanana iray ianao.
Tranokala inona no afaka ahitana trano sy tany maro indrindra? Na raha mila fanampiana avy amin'ireo manam-pahaizana manokana mikasika ny trano sy tany amidy na ahofa dia iza no tokony atonina?
Anio dia atolotra anao ireo tranokala sy sampan-draharaha tsara indrindra amin'ny resaka varotra na fampanofana trano sy tany eto Madagasikara. Mino izahay fa hanampy anao hahita izay tadiavinao ireto.
1. Tranokalam-barotra sy fampanofana
Amin'ny alalan'ireo tranokalam-barotra eto Madagasikara ireo dia mora kokoa ny mampitaha ny toerana, ny vidiny na ny hofany ary ireo fanaka mameno ny trano. Mora kokoa ny mahafantatra ireo tolotra rehetra misy eo an-toerana ka ahafahana manao ny safidy tsara amin'ny trano ahofa na vidiana
Ireto misy tranokala maromaro izay be mpitsidika indrindra eto Madagasikara:
a. Ofim
b. Guy Hoquet
2. Ireo sampan-draharaha mahakasika ny varotra sy fampanofana trano
Ny manatona ireo sampan-draharaha mpahay izany no fomba tsotra indrindra ahitana trano. Mahafehy ny tolotra eo an-toerana izy ireo ka afaka manampy anao hahita ny trano mifanaraka amin'ny fahefanao sy ny filànao rehetra. Ary mety mbola hiady varotra ho anao koa ara izy ireo.
Mitandrema ihany anefa fa indraindray dia ny mpanofa no mandoa ny volan'ny sampan-draharaha. Na dia ny tompon-trano ara no mandoa ny sarany dia tsara ihany ny mamaritra mazava aty am-boalohany ny andraikitry ny tsirairay mba hialàna amin'ny fifandirana avy eo
Ireto misy sampan-draharaha vitsivitsy koa anisan'ny tsara indrindra:
a. Creapart Madagascar
b. Centre agence immobilier Madagascar
c. Innova Immobilier
Raha hitady trano maneran-tany ianao dia ho safidy tsara indrindra ho anao ny tranokalanay.
- Rentpackage fitadiavana sampan-draharaha mikasika ny trano amidy sy ahofa maneran-tany
Mampiditra anarana sy toerana fotsiny ianao dia ahita mpiandraikitra manokana mikasika ny trano.
Atolotray anao ny laharan-tariby, ny adiresy sy ny tranokalan'ireo mpiandraikitra mba hahafahanao mifandray amin'izy ireo mivantana.
Ankoatry ny tranokala sy ny sampan-draharaha dia misy fomba hafa koa ahafahanao mitady trano.
3. Tranokala vidy varotra
Ankoatra ireo tranokala voalaza etsy ambony dia manao filazana ao amin'ireny tranokala vidy varotra ireny koa ireo sampan-draharaha sy tompon-trano.
Loozap, Vidy varotra sy Jumia no anisan'ireo tranokala vidy varotra lehibe indrindra eto Madagasikara. Hita ao avokoa izay ilaina rehetra na asa na olona manana traikefa manokana.
4. Gazety eo an-toerana
Hita ao anaty gazety avokoa ireo tolotra rehetra avy amin'ny tompon-trano na sampan-draharaha isan-karazany. Izany no anisan'ny fomba mora indrindra ahitana trano aty Madagasikara.
a. midi-madagasikara,
b. Tribune Madagascar,
c. Lexpress Madagascar
5. Jerijereo ny manodidina
Mahaiza mifandray amin'ny manodidina sy ny fianakaviana. Matetika manko ny tompon-trano manao peta-drindrina "trano ahofa" eny rehetra eny. Efa eo amin'ny peta-drindrina ny laharan-tariby ka afaka miantso avy hatrany ny tompon-trano na ny sampan-draharaha ianao raha toa ka liana.
6. Facebook
Ny tambazotran-tserasera ankehitriny no fomba haingana indrindra ahitana trano sy izay rehetra tadiavina. Marobe ireo pejy na fikambanana misahana manokana ny trano amidy hita ao.
a. https://www.facebook.com/groups/217140075362010
b. https://www.facebook.com/groups/176099549780623
c. https://www.facebook.com/groups/532507690851980
Eo ambony eo avokoa ny mombamomba ireo tranokala sy sampan-draharaha mahakasika ny trano izay mety ilainao. Mino izahay fa hanampy hanao hahita izay tadiavinao ireo.
Ahoana no fomba nahitanao ny trano itoeranao izao? Misy tranokala na sampan-draharaha hafa fantatrao ve ka tsy voatonona ao? Aza misalasala mizara ny hevitrao eo ambany eo sy mampita ny hafatra amin'ny hafa!
Tompon-trano ve ianao ka sahirana mikajy ny hofan-tranonao amin'ny Excel? Adinonao foana ny andro itakiana hofan-trano? Sahirana ianao mikajy ny lany rehetra amin'ny trano?
Rentpackage, sehatra ahafahana mitantanana hofan-trano, ahafahanao mitantana ireo mpanofa sy ny hofan-tranonao, ary manao sonia ny taratasy rehetra amin'ny alalan'ny aterineto raha hanao fifanarahana. Mba fetsifetsy, ndeha hampiasa izany, tsindrio ny bokotra eto ambany raha hanomboka izao.
© 2026 All rights reserved